Dignitas Ecole de Football: Manomana ankizy ho mpilalao matihanina
2026-01-26 - 09:11
Nampahafantarina tamin’ ny fomba ofisialy, ny sabotsy lasa teo, teny Alasora ny ivontoerana manabe sy mampianatra baolina kitra ho an’ireo ankizy, Dignitas école de football. Nisokatra ny volana septambra 2022 ary hetahetan-dRazafindrakoto Mamisoa, mpilalao sady kapitenin’ny Scorpions de Madagascar ary mpanazatra ny Disciples FC ankehitriny ny nanangana izany. Tanjony ny hamolavola mpilalao, ara-teknika sy taktika ary ara-batana sy saina. Hanomana mpilalao ho amin’ ny sehatra ambony ary hampiasa ny baolina kitra ho fitaovana fanabeazana. Avy amin’ny teny latinina hoe mendrika no nakana ny anaran’ny sekoly. Filamatra amin’ny fahamendrehana, fanajana ary firaisankina. Tsy mijanona amin’ny fanomezana teknika fototra ho an’ny ankizy fotsiny ireo mpanabe. Ny taona 2024, nitsiry ny finiavana hiditra lalindalina kokoa amin’ny fanatsarana hatrany ny fahaiza-manaon’ireo ankizy ka teraka indray ny tetikasa vaovao Dignitas Futurum na ny “Avenir”. Zava-kinendry ny hanofana ireo ankizy voafantina ho lasa matihanina eo amin’ny sehatra nasionaly sy iraisam-pirenena. Misahana azy ireo i Mamisoa sy i Rija Juvence, mpilalao tao anaty ekipam-pirenena fahiny ary tale teknika nasionalin’ny Dignitas. Ankizy 14 sy 15 taona no voakasik’izany saingy misy sivana ny fidirana ao. Taona vitsy nitsanganan’ny Dignitas école de foot sy ny Dignitas Futurum, efa maro ireo amboara azony tamin’ny fifaninanana. Miara-miasa amin’ny kaominina Alasora sy ireo mpanohana maro izy ireo, izay nanome fanamiana ary sakafo ho fanohanana ireo ankizy. Tompondaka