Dika vilana : Mila ovaina ny « kolontsaina »
2026-02-27 - 05:06
Mifangaro voraka ? Rehefa inona no antsoina na sokajiana ho « kolontsaina » ? Mikolo ny saina tokoa ve ilay hitan’ny maso, ren’ny sofina, sns ? Manampy trotraka ny fampifangaroana azy io amin-javatra hafa toy ny zavakanto. Amin’izao vanim-potoana izao vao tazana mazava fa hamehana sy manana endrika petatoko ihany ny nametrahana ny anarana « kolontsaina », raha ny « mikolo ny saina » no iaingana. Voaterin’ilay « kisarintsarim-panagasiana » ? Satria, tsy mifanaraka amin’ny heviny sy ny dikany ny tranga voarakitra ao anatin’ny atao hoe « kolontsaina, ankehitriny. Mila hovaina io. Raha ilaina, mila mitady teny na voambolana vaovao. Na, ny tany aloha no fohazina sy ampiasaina indray. Tsy bitika ny akon’ny fanovana azy io fa ho goavana be. Raha heverina ho sarotra ny mamorona. Tokony hajanona amin’ny toerany sy ny sokajiny ny tranga tsirairay. Raha ao anatin’ny tontolon’ny kanto. Antsoina ho « zavakanto ». Raha mbola manahirana indray ny manasokajy azy ho « kanto ». Vantanina amin’ny hoe : « hira », na « tantara », na « soratra », sns. ... Fatra-paka tahaka loatra ny Malagasy ka nikiry nandika ny « zava-bahiny » tamin’ny teny malagasy. Maro be ny tranga tahaka io « kolontsaina » io. Tokony hatao vaindohan-draharaha ny manajanona ny fampiasana ny « kolontsaina » sy ny hanolo izany amin-javatra hafa. HaRy Razafindrakoto