TheMadagascarTime

Dimy taona nisesy : Azon’ny Yas ny « Top Employeur »

2026-02-21 - 06:16

Anisan’ireo orinasa fitaratra eto amin’ny firenena ny Yas Madagascar amin’ny alalan’ny fanohanany ny ekipa mpiara-miasa aminy ka antony nahazoan’ity orinasam-pifandraisan-davitra ity ny « Top Employeur 2026 ». Tao anatin’ny dimy taona nisesy, nisitraka ny mari-pankasitrahana iraisam-pirenena avy amin’ny Top Employers Institute hatrany ny orinasa noho ny fahaiza-mitantana ireo mpiara-miasa aminy. « Manohana ny mpiara-miasa hatrany ny orinasa amin’ny alalan’ny fampiofanana maro samihafa omena azy. Ao anatin’izay ny fanatsarana ny fahaiza-manaony mba hanampitomboina ny traikefa azony », hoy ny talen’ny fitantanana ny mpiaas, Gaël Voca. Porofo izao fa mametraka ny olombelona ho ivon’ny fampandrosoana sy ny fahombiazan’ny orinasa hatrany ny Yas Madagascar. Misy, araka izany, ny fanadihadiana lalina momba ny fitantanana sy ny fiahiana ary ny fanohanana ny mpiasa ataon’ny « Top Employer » ka ahafahany mamaritra ny paikadim-pitantan’ny orinasa iray. Tsiahivina fa nisitraka ity mari-pankasitrahana « Top Employeur » tamin’ny taona 2022 ny Yas. Henintsoa

Share this post: