TheMadagascarTime

Dipoavatra mena an’i Bongolava: Nahazo “label” iraisam-pirenena

2026-03-07 - 05:26

Miavaka sy tsara ary mahaliana ireo mpandraharaha samihafa ny dipoavatra mena avy ao amin’ny faritr’i Bongolava ka mahatonga ny minisitry ny Varotra sy ny fanjifana, Andriamadison Hain­gotiana, mandrisika ireo mpisehatra hampitombo ny fiaraha-mientany hampiroboroboana ny lalam-pihariana. Efa nahazo mari-pamantarana na “label” avy amin’ny Organi­sation mondiale de la propriété intellectuelle (OMPI) any Genève, ity vokatra malagasy be mpitady ity. “Avo lenta sy mahaliana olona ny dipoavatra malagasy ary mitana ny laharana voalohany maneran-tany amin’ny fahatsarany”, hoy ny filohan’ny kaoperativa, Ramanantsoa Augustin, ny alakamisy teo, nandritra ny fanokafana ny taom-piotazana dipoavatra mena, tany An­kadinondry Sakay, faritra Bongolava. Araka izany, nitondra ny vokany ho lanjaina sy hamidy avokoa ireo tantsaha marobe ao an-toerana. Nisy ihany koa ny fiofanana nomen’ny teknisianin’ny minisitera sy ny tetikasa PA Zlecaf hahafahana manatsara ny vokatra sy ny fandaharam-potoana. Tao anatin’izay, nilaza ny minisitra fa “hanao ny rehetra hanomezana tantsoroka ny minisiteran’ny Varotra saingy mila fiaraha-mientana izany”. Tsena Malalaka ny tsenan’ny dipoavatra mena, satria mbola 30 taonina monja ny vokatra raha toa ka mahatratra 250 000 t ny tinady. “Mihatsara ny vokatra satria miakatra ny vidiny raha oharina amin’ny vokatra hafa, manatsara ny fiainan’ny tantsaha izany”, hoy ny mpamboly iray, Rasoarimalala Martine. Marihina fa hanitra lafo vidy ampiasaina amin’ny fanaovan-tsakafo sy ranomanitra ny dipoavatra mena. Anisan’ireo firenena mitady azy ny ao Eoropa sy Azia. Henintsoa

Share this post: