« Elect’Echo » : Hitondra ny feon’ny vehivavy sy ireo sembana
2026-03-28 - 04:53
Haharitra 12 volana ny tetikasa «Elect’echo» tanterahin’ny Coalition des radio ho an’ny eto Madagasikara. Hampita hafatra amin’ny alalan’ny fandaharana samihafa vokariny ny onjam-peo sivy mpiara-miasa. Tanjona ny hampiely feo momba ny fampahafantarana ny andraikitry ny olom-boafidy sy olom-boatendry ny tamberin’andraikitra sy ny zo sy adidin’ny olom-pirenena eto amintsika, araka ny fanazavan’ny tomponandraikitry ny tetikasa, Raholiariseheno Nicole, omaly, tetsy Soarano. Fandaharana 20 mahery no hovokarina, hizarana traikefa sy ireo hetahehan’ny vehivavy sy ny tanora ary ny olona manana fahasembanana. Mahakasika ny firotsahana amin’ny fiarahamonina sy ny tontolo politika izany. Tsapa fa vitsy ny sehatra manome fahafahana ho an’ny vehivavy, ny tanora ary ireo olona manana fahasembanana hitondra ny hetahetany. Antony nahatonga ny tetikasa hanosika ny feon’izy ireo ho henon’ny mpisehatra sy ireo mpanapa-kevitra, indrindra koa ny heviny momba ny politika. Toerana iasan’ny vaomieran’ny ranomasimbe Indianina (COI) ny faritra telo nosafidiana hanatanterahina ny tetikasa eto amintsika: Analamanga, Vatovavy ary Vakinankaratra. Eto Madagasikara sy kaomoro no iompanan’ny tetikasa ary manohana ny COI sy ny Agence française de développement (AFD). Vonjy