Fahasalamana : 50 taona niara-niasa i Madagasikara sy i Chine
2026-03-26 - 04:52
Nandray anjara mavitrika tamin’ny fanatsarana ny rafitra ara-pahasalamana teto Madagasikara ny sinoa, tao anatin’ny 50 taona. Tolotra ara-pahasalamana sy fizarana traikefa ary fanampiana ara-pitaovana ny endrika nisehoan’izany. Manamarika ny faha-50 taonan’ny fiarahan’i Madagasikara sy Chine nisehatra tamin’ny fahasalamana isika izao. Nanolotra fitaovana ho an’ny hopitaly Anosiala, araka izany, ny hopitaly sinoa. Anisan’izany ny fitaovana manampy amin’ny fitsaboana ny taovam-pisefoana sy ny fitaovana hanatsarana ny serasera ampitain-davitra. Tao anatin’ny 10 taona farany, nisy ny fiaraha-miasa akaiky sy nisongadina ary nahomby teo amin’ny hopitaly Anosiala sy ny mpitsabo sinoa. Azo tsapain-tanana ary tsapan’ireo marary rehetra nitsabo tena teny ny firoboroboan’ny fitsaboana niarahana tamin’ireo dokotera sinoa mikarakara ny marary. Tsy nifidy toerana niasana ireo dokotera sinoa fa hatrany amin’ny faritra alavitra dia anaovany izany avokoa ary nandrakotra sehatra maro tamin’ny sehatry ny fitsaboana izy ireo. Mbola naneho ny fahavononany hiara-miasa amin’i Madagasikara sy hanatsara ny fomba fiasa eo amin’ny sehatry ny fitsaboana ny sinoa nandritra ny fanamarihana ny faha-50 taonan’ny fiaraha-miasan’ny roa tonta. Tatiana A