Fahasalamana ara-pananahana: Vavolombelon’ireo tranga maro ny rasazy
2026-03-06 - 05:26
« Herisetra ara-pananahana, vohoka tsy iriana, fanalan-jaza tsy tomombana tany ambadika tany, aretina azo avy amin’ny firaisana ara-nofo, fanaovana fandrindram-piterahana miafina.... Vavolombelona mivantana, miaina ireny tranga ireny izahay rasazy », hoy Razanaliliany Hajasoa, filohan’ny fikambanan’ny rasazy ao Matsiatra Ambony. Rehefa misy ny fahasarotana dia tonga eny ireo vehivavy mila vonjy. Mandray an-tanana ireo zaza tsy ampy taona manana filana sahady amin’ny fampiasana ny fomba fandrindram-piterahana noho izy ireo efa miroso amin’ny firaisana ara-nofo aloha loatra ihany koa ireo rasazy. Mahatsiaro tena anefa izy ireo fa voafetra ihany ny asa sy adidy amin’ny fikarakarana ny fahasalamana sy fanajana ny fahamendrehana ny maha olona satria vitsy an’isa ireo mpiasan’ny fahasalamana mandray an-tanana ireo marary. Olana tsy hahafahana manatanteraka ny asa araka ny tokony ho izy sy tsy hahafahana mampisitraka ireo zo ara-pahasalamana ihany koa ny tsy fahampian’ny fotodrafitrasa. Mandeha an-tongotra ora maro ireo vehivavy vao mahita tobim-pahasalamana. Ireo vehivavy anatin’ny fahasarotana no manatona tobim-pahasalamana ka matetika tara loatra ny famonjena azy. Tatiana A