Fahasalamana : Maha be tazomoka ny rano mihandrona
2026-02-14 - 05:29
Fotoana mampirongatra ny karazana valanaretina ny fiakaran’ny rano toy izao. Anisan’izany ny fivalanana noho ny rano tsizarizary, indrindra aorian’ny fandalovan’ny rivodoza. Eo koa ny aretina tazomoka, vokatry ny rano mihandrona mameno ny tanàna izay fanatodizan’ny moka ary mampirongatra haingana ny aretina. Tokony hatory anaty lay misy odimoka ny rehetra na any anatin’ireo toerana itobian’ny traboina aza. Samy mivatsy ny lay avy any an-tokantrano hiarovan-tena amin’ ny kaikitry ny moka, hisorohana ny aretina. Tena saro-pady ny ankizy madinika sy ny zaza menavava ary ireo reny bevohoka. Eo koa ireo olona marefo efa taizan’aretina. Mila mailo ihany koa amin’ny fitakosonana any anatin’ireny tobin’ny traboina ireny satria mbola anatin’ny ady amin’ny valanaretina Mpox isika eto Madagasikara amin’izao. Hajaina, araka izay tratra, ny elanelana sy ny sakana ara-pahasalamana raha azo atao. Mamely ihany koa ny kohoka sy ny gripa ka samia miaro ny tenany amin’izany mba tsy hifamindra anaty fitangoronana amin’ny fampiasana arovava sy orona. Tatiana A