TheMadagascarTime

Fahasalamana : Novatsiana fitaovana ny Cousp nasionaly

2026-03-21 - 05:03

Noho ny fiaraha-miasa akaiky amin’ny Africa CDC, nahazo fitaovana maoderina sy manaraka ny fenitra iraisam-pirenena ny Cousp na­sionaly na ny ivontoerana mandrindra ny hamehana eo amin’ny fahasalamam-bahoaka. Anisan’izany ny fitaovana informatika, rafitra fanaraha-maso avo lenta, fitaovam-pifandraisana ary kojakoja ilaina hiatrehana haingana ireo tranga maika. Ny fananganana sy fanamafisana ny Cousp nasionaly izay mifototra amin’ny fanarahana ny fenitra iraisam-pirenena napetraky ny Règlement sanitaire international (RSI 2005). Mitaky amin’ireo firenena mpikambana ao amin’ny OMS ny hananana rafitra matanjaka, mahomby ary mailo amin’ny fanaraha-maso sy fitantanana ireo loza ara-pahasalamana. Manangona sy mandinika angon-drakitra, mampifandray ireo sehatra rehetra voakasika ary miantoka ny fandraisana andraikitra haingana sy mirindra ity ivontoerana ity. Amin’ny alalan’ny Cousp, azo vinavinaina mialoha kokoa ireo loza ara-pahasalamana, voalamina tsara ny fandraisana andraikitra, ary apetraka ny rafitra maharitra, azo antoka ary mahomby ho fiarovana ny ain’ny vahoaka. Tatiana A

Share this post: