Fahasarotan’ny fanalan-jaza : 6 amin’ny 100 mandalo eny amin’ny hopitaly
2026-03-25 - 04:44
Nisy fanadihadiana nasionaly natao mahakasika ny fandrindrana ny fiainam-pianakaviana (PF), ny vohoka tsy nirina ary ny fikarakarana ny fahasarotana noho ny fanalan-jaza eny anivon’ny hopitaly. Nampahafantarina omaly, teny Antaninarenina, ny valiny ka nisongadina fa miaina herisetra mifototra amin’ny maha lahy sy maha vavy (VBG) eny anivon’ny fiarahamonina ny vehivavy sy ny zatovovavy, indrindra ny tsy fahazoana tolotra fahasalamana amin’ny fandrindrana fiterahana. Tsy ampy koa ny fikarakarana eny amin’ny hopitaly na toeram-pitsaboana. Ny mpiasan’ny fahasalamana rahateo mahatsapa sy milaza fa misy fahabangana ny lalàna miaro ny mpiasan’ny fahasalamana manoloana ny fikarakarana ny fahasarotana vokatry ny fanalan-jaza. Mbola voararan’ny lalàna izy io eto Madagasikara. Ny mpiasan’ny fahasalamana anefa tsy maintsy mikarakara ireo vehivavy rehetra tonga eny amin’ny toeram-pitsaboana noho ny fahasarotana vokatr’izany. Ny fitaovana teknika sy ny fanafody ary ny traikefa koa tsy ampy. Adidiny sy andraikiny izany satria vonjy aina, araka ny fanazavan’ny talen’ny fahasalaman’ny fianakaviana, ao amin’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, Rajoelina Miaritoky Herindrainy. Araka ny valin’ny fanadihadiana, amin’ny vehivavy bevohoka 100 tonga eny amin’ny tobim-pahasalamana, enina amin’ireo vokatry ny fahasarotan’ny fanalan-jaza avokoa. Mbola nanamafy ny solontenan’ny UNFPA eto Madagasikara fa 17% amin’ny fahafatesan’ny reny eto Madagasikara dia zatovovavy 15 ka hatramin’ny 19 taona avokoa. Ho an’ny fandrindram-piterahana, 27% amin’ny vehivavy tsy manambady efa miroso amin’ny firaisana no tsy afaka mampiasa fandrindram-piterahana araka ny faniriany. Miafara amin’ny fanalan-jaza anefa ny 63% amin’ny vohoka tsy nirina. Matetika antsokosoko no hanaovana ny fanalan-jaza ary mety hitarika amin’ny fahasarotana sy fahasatesana izany. Vonjy