TheMadagascarTime

Famelomana aina-CHU JRA : Olona 2 000 isan-taona karakaraina ao

2026-03-02 - 04:56

Nitondra fanazavana mo­mba ny sampandraharaha famelomana aina, ao amin’ny rihana voalohany, ao amin’ny CHU JRA, ny profesora Rajaonera Andriambelo Tovo­hery, lehiben’ity sampandraharaha ity. Isan-taona, manodidina ny 2 000 ireo olona avy nodidiana sahanin’ny sampandraharaha. Manodidina ny 2 500 kosa ireo olona atao fizahana mialoha ny handidina azy. Mandray ireo olona niharan’ny dona mafy tamin’ny loha ka arahi-maso na hodidiana ny ekipa ao amin’ity sampandraharaha famelomana aina na fampatoriana ity. Mandray ireo marary avy nodidina ihany koa. 36 ny fandriana andraisana ny marary, mitsinjara amin’ny efitrano 11. Mitokana ny efitrano mandray zaza sy ankizy. Misy ny efitrano famelomana aina ho an’ireo marary efa tena reraka sy sarotra. Misy ny fitaovana manampy amin’ny fisefoana... manana oxygène isaky ny fandriana ao amin’ny sampandraharahana... Mandray ireo zazakely vao teraka sy ireo misy fahasamponana na handalo fandidiana na avy nodidina ihany koa izy ireo. Mamelona aina sy mampatory ny ekipa mifarimbona ao ary miara-miasa akaiky amin’ireo infermiera anestesista. Asa saro-pady sy tena mila fahamalinana ny asan’ny mpamelona aina sy ireo mpampatory. Dokotera efa manam-pahaizana sy mahafehy ny asany no mikarakara ny marary miaraka amin’ireo paramedy sy mpiasan’ny fahasalamana efa ampy traikefa ao amin’ity sampan-draharaha ao amin’ny CHU JRA ity. Tatiana A

Share this post: