TheMadagascarTime

Famokarana vaovao: Nitarina ny fotoana fandraisana anjara

2026-03-27 - 04:53

Nitarina hatramin’ny 10 avrily ho avy izao ny fandraisana ny sanganasan’ny mpanao gazety handray anjara amin’ny fifaninanana mahakasika ny famokarana vaovao mifototra amin’ny fanaovam-baksiny, ady amin’ny aretina poliomelita, kitrotro, ary hetsika fanaovam-baksiny ho fanatrarana ireo tsy nahatontosa ny vaksiny mahazatra. Afaka mandray anjara avokoa ny sokajin’asa haino vaky jery ary ny ana haba­ka.Vokatra roa isaky ny mpanao gazety no alefa amin’ny mpikarakara, hatramin’ny 10 avrily. Ireo vaovao novokarina nanomboka ny volana janoary 2024 ka hatramin’ny 10 avrily 2026 no afaka hatolotra ifaninana. Fitaovana ilaina amin’ny asa fanaovan-gazety sy vatsim-pianarana ahazoana manatanteraka fitrandraham-baovao no loka ho an’ireo mpanao gazety mendrika amin’ny sokajy efatra voalaza. Nikarakara ny fifaninanana ny Unicef sy ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina ary ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka. Entanina ny mpanao gazety manerana ny Nosy hifaninana sy hitsidika ny pejin’ny Unicef hahafantarana ny toromarika momba izany. Vonjy

Share this post: