Fampiroboroboana ny nomerika : Lasa Oniversite virtuelle publique ny CNTEMAD
2026-02-21 - 06:16
Sehatra stratejika hanatsarana ny rafi-pampianarana ao amin’ny CNTEMAD ny fampiasana ny niomerika. Fandaharanasa tohanan’ny Banky Iraisam-pirenena amin’ny alalan’ny tetikasa Decim. Dingana lehibe eo amin’ny sehatry ny fampianarana ambony sy ny fampiroboroboana ny niomerika no vitan’i Madagasikara amin’ny alalan’ny fanovana ny CNTEMAD ho Oniversite Virtuelle Publique (UVP). « Tanjona ny hisitrahan’ny mpianatra manerana ny Nosy ny fampianarana ka hampifanakaikezana sy hitovian’ny fiofanana arahiny», hoy ny minisitry ny Fampiroboroboana ny Haitao ara-kajy mirindra, ny Paositra sy ny ny Fifandraisan-davitra (MNDPT), Andriamampiadana Mahefa, omaly, nandritra ny fampahafantarana natao, tetsy amin’ny Carlton Anosy. Hanavao tanteraka ny rafi-pampianarana ambony, araka izany, ny tetikasa amin’ny alalan’ny fampiasana ny haitao ara-kajy mirindra. Mitovy ny fiofanana azon’ny rehetra ary hamoraina ny fidirana eo amin’ny tsenan’ny asa izany. Havaozina manaraka izany ihany koa ny efintrano fianarana toa an’ireo Centres Régionaux de Télé-Enseignement (CRTE). Hapetraka ny sehatra LMS maoderina izay fiaraha-miasa stratejika amin’ny SAYNA ho fanatanterahana ny ara-teknika. Niomerika Hihatra manomboka amin’ity taona ity ny tetikasa sady manamafy ny vina ho an’ny fampiroboroana ny niomerika ho sehatra stratejika hampivoarana ny fampianarana ambony eto amintsika. « Tsy ho latsa-danja amin’ireo fampianarana ampitan-davitra any ivelany eto Madagasikara amin’izao fanavaozana napetraka izao », hoy ny tale nasionalin’ny CNTEMAD, Pr Rakotomahenina Pierre Benjamin. Fandaharanasa izay tohanan’ny Banky Iraisam-pirenena amin’ny alalan’ny tetiksa Digital and Energy Connectivity for Inclusion in Madagascar (DECIM). Ity farany izay tetezamita miampita mankany amin’ny niomerika. Ankilany, havaozaina ihany fitantanan-draharaha eo anivon’ny CNTEMAD mba hanamorana ny fahazoan’ireo mpianatra manerana ny Nosy ny diplaomany. Henintsoa