TheMadagascarTime

Fampivelarana ny maha Malagasy: Tontosaina any Paris ny « Soratononina 2026 »

2026-03-28 - 04:43

23 taona aty aoriana... Mitohy hatrany ny fifaninanana « Soratononina » karakarain’ny fikambanana Kolo Malagasy. Ny lohahevitra no miovaova fa ny tanjona voatazona hatrany. Anio 28 marsa, ao amin’ny Institut national des langues et civilisations orientales Inalco – Paris 13e , no hanatanterahina ny «Sora­tononina 2026». Ahitana ny sokajy I, ho an’ireo efa mahay sy manoratra sy miteny malagasy sy ny sokajy II, ho an’ireo izay teraka tany Frantsa sy ivelan’i Madagasikara. Kopa-droa ny tanjona ken­drena, raha ny fanazavan’i Jean Andrianaivo Ravelona, filohamboninahitry ny Kolo Ma­lagasy, mikarakara ny «So­ra­tononina». Eo ny hampitana ny fahalalana ara-kolontsaina, ara-javakanto sy soatoavina malagasy amin’ny alalan’ny so­ratononina. Ankoatra izay ny fampiroboroboana ny fahalalana, ny fifehezana, ny fanoratana, ny fandalinana ary ny fampitomboana ny fahalalana ny teny malagasy amin’ny ala­lan’ ny lahatsoratra. «Sorato­nonina, fitaovana hampitana ny ha­­ren-tsarobidy ara-kolontsaina amam-panahy maha izy ny Ma­lagasy», hoy izy. «Sora­to­noni­na» iray na roa isan-taona no karakarain’ny fikambanana ao Paris sy any amin’ ny departemanta ao Frantsa. Miara-miasa amin’ny fikambanana ivelan’i Frantsa ny Kolo Malagasy. Miova isan-taona ny lohahevitry ny fifaninanana. Mi­ainga amin’ny rantsana kolon­tsaina, zavakanto ary soatoavina malagasy. Anisan’izany ny fitafy malagasy, ny hosodoko malagasy, ny mozika malagasy, ny dihy malagasy, ny asa tanana malagasy, ny taotrano malagasy, ny fihavanana, ny harem-panahy, ny fahendrena ary ny fomba amam-panao. Natao ho fomba fiasan’ny Kolo Malagasy ny miainga amin’ny fandalinana sy fikarohana isaky ny rantsan-kolontsaina, zavakanto, soatoavina, safidiana ho lohahevitra. Hi­arahana miasa amin’ny teknisiana na manam-pahaizana momba ilay lohahevitra hatao soratononina izany. Miroso amin’ny fanoratana ny mpanoratra avy eo. Ao­rian’izay, hifan­drombonan’ ny mpampianatra teny malagasy ny fanitsiana sy fanatsarana ny lahatsoratra. Nanangona : HaRy Razafindrakoto

Share this post: