TheMadagascarTime

Fanabeazana sy fampianarana : Mbola misy diso fandray ny « fanagasiana »

2026-01-28 - 06:33

Taorian’ny taona 1972 na­naovan’ny mpianatra fihetsehana ho fanoherana ny fanjakazakana mivantana sy ankolaka nataon’ny Frantsay teo amin’ny tontolon’ny fanabeazana sy fampianarana, nipoitra tsikelikely ny « fanaga­siana ». Taona 2026, mbola misy diso fandray ihany ny tena raiketin’io teny io. Vohi­zina mafy indray ny fandikan-teny. Tafiditra ao anatin’izany rehefa mety ho voambolana vahiny. Manomboka re eny amin’ny fiarahamonina izy ireny. Hanaovan’ireo mpampianatra sy mpikaroka ezaka manokana, ireo taranja am­pianarina any an-tsekoly, sa­tria, hono, « tsy ampy voambolana ny teny malagasy ». Manomboka miverina in­dray ilay fahadisoan-kevitra. Va­riana tamin’io fandikan-teny io ny mpikaroka sy ny tomponandraikitra ary ny sampandra­haraha mahefa rehetra. Ha­dino ilay tena « fanaga­siana ». Nanjary nahazo aina eo amin’ ny tontolon’ny fanabeazana sy ny fampianarana ireo taranaka Malagasy indray ny teny vahiny. Deraina sy dokafana fatratra ireo sekoly mampiasa ny teny vahiny hoenti-mampianatra. Mahavariana! Tsy mbola takatry ny mpanapa-kevitra sy ireo tomponandraikitra ma­hefa aty amin’ny taona 2026 ihany ve fa io fampiasana ny teny vahiny hoenti-manabe ny zaza malagasy io no fototry ny loza mitatao ho an’ity firenena ity? Nanjary vahiny eto amin’ny taniny ny Malagasy. Tsy ma­hafantatra izay momba azy. Tsy afa-bela fa ziogain’ny « hafa » hatrany. HaRy Razafindrakoto

Share this post: