Fanakorontanana filaminam-bahoaka: Tanora 15 voasambotry ny polisin’ny UIR
2026-01-29 - 05:33
Tanora miisa 15 voasambotry ny polisim-pirenena avy ao amin’ny Unité d’intervention rapide (UIR), tao Tanamakoa, ny talata 27 janoary 2026 lasa teo. Anisan’ireo andian-jatovo mpanakorontana ny filaminam-bahoaka ao Toamasina izy ireo. Eo ny fanaovana ady eny an-dalambe, fangalarana amin’ny endriny maro samihafa ary ny fitabatabana amin’ny alina. Efa maro ny fitarainana voarain’ny mpitandro filaminana tany an-toerana mahakasika ny fisian’ireo tanora ireo, talohan’izao. Faritra tena lasibatr’izy ireo ny any Tanamakoa sy ny manodidina. Tsy niandry ela fa nanao ny fanaraha-maso sy ny fisafoana avy hatrany ireo mpitandro filaminana taorian’izay. Nahitam-bokany, araka izany, ny hetsika nataon’izy ireo ka izao tratra izao ny tompon’antoka tamin’izany. Nentina eny anivon’ny kaomisaria foibe ao Toamasina avokoa izy ireo hanaovana fanadihadiana. Tafiditra ao anatin’ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana ny hetsika tahaka izao. Tsiahivina fa efa niforona tany Toamasina ireo vondrona tanora latsaky ny 17 taona, izay manafika sy mandroba mpandeha amin’ny alina sy harivariva eny an-dalana, ireo. Mitondra bois rond sy antsy ireo zatovo mandritra izany. Mitohy hatrany ny hetsika ho fisamborana ireo mpanao asa ratsy rehetra any an-toerana. Mino