TheMadagascarTime

Fanamaitsoana ny tontolo : Namboly zana-kazo ny Fivoi

2026-01-26 - 05:51

Nanatanteraka fambolen-kazo teny Ambatonapoaka sy teny Masikamalona, distri­kan’Arivonimamo, ny antoko politika Fivoi sy ny fikambanana Fivoarana, ny sabotsy teo. Nahatratra 15000 isa fototra ireo zana-kazo novolena teny an-toerana. Nahitana karazan-kazo maro toy ny kininina sy ny kesika izany. Tanjona ny hanamaitsoana an’i Madaga­sikara mba ho lasa Nosy maitso indray. “Miainga eny ifotony ny fanovana ary ny famerenena ny tontolo ho maitso no tokony himasoana voalohany indrindra”, hoy ny solombavahoaka, Rajerison Antoine. Misy fiantraikany goavana amin’ny zava-boahary rehetra ny fahataperan’ny ala. Nam­barany fa rehefa tapitra ny ala dia lasa tsy hisy intsony ny orana, foana hoazy ny sakafo sy ny zava-manaina isan-karazany. Nanjaka be ny fahasimban’ny tontolo iainana tao anatin’ny roapolo taona nefa tsy nisy fitomboana ny fambolen-kazo. “Mijoro ho modely, araka izany, izahay amin’ny alalan’ny fizarana voan-jana-kazo ho an’ny rehetra”, hoy ihany izy. Tanjona ny hahavitana mamerina maitso sy ny ala eto Madagasikara. Nitarika ny hetsika teny an-toerana ny depiote Raje­rison Antoine. Tonga maro nanatrona izany ny mpianatra avy amin’ny ENS Ampefiloha, ny tantsaha maro ary ireo olom-boafidy maro. Marihina fa efa nahatratra aman-tapitrisa ny voly hazo efa nataon’izy ireo. Efa nahatratra taonina iray mahery ireo voan-jana-kazo naparitak’izy ireo nanerana ny disitrikan’ ny Matsiatra ambony, Amoron’i Mania, Ambohidratrimo, Antanana­rivo, Arivonimamo ary ny faritra Avaratry ny Nosy. Mino

Share this post: