TheMadagascarTime

Fanampiana ny traboina: Napetraka ny Vovonana handrindra ny fitsinjarana

2026-02-20 - 04:57

Taorian’ny antso voim-pirenena nataon’ny fitondram-panjakana, betsaka ireo mpiray ombon’antoka sy firenena vahiny naneho fahavononana hanampy amin’ny fanarenana rehefa nitranga ny voina. Misy ny dingana tsy maintsy arahina mialoha ny famoahana vola sy izay voafaritry ny lalàna malagasy mifehy ny fitantanambolam-panjakana amin’ ny fampidirana izany anatin’ny kitapom-bolam-panjakana sy ny kaontin’ny BNGRC. «Hatramin’ ny omaly, tsy mbo­la misy vola tonga ao anatin’ny kaontin’ny BNGRC», hoy ny talen’ny «Patrimoine et administration» ao amin’ity rafitra ity, Razafindrakoto Ha­rentsoa Andry, teny Andrai­narivo. Misy lamina napetraka, natsangana ny vovonana hanara-maso ny fandrindrana ho fitsinjarana ny fanampiana rehetra voaray. Nanamarika izy fa tsy mizara vola mihitsy ny BNGRC fa fanampiana no tsinjaraina. Raha fanampiana vola voaray avy eto an-toerana, misy dingana manokana ary misy olona manokana mikirakira azy ka hita avy hatrany ao amin’ny io plateforme io ny sora-bola. Ny sakafo no filàna fototra maika taorian’ny voina, manaraka avy eo ny fanadiovana rano. “Hatramin’ny omaly, 62 ny olona maty, 13 tsy hita popoka, 804 ireo naratra ary 426 906 ny traboina.15 948 nafindra toerana vonjimaika”, hoy ny talen’ny Cervo, Rakotona­nahary Jean Yves. Vonjy

Share this post: