TheMadagascarTime

Fanampiana traboina ao Toamasina: Maro ny misafidy tsy handalo BNGRC

2026-02-26 - 04:56

Manoloana ny fahataran’ny fitsinjarana ireo fanampiana voaangona eo anivon’ny BNGRC, betsaka ireo misafidy ny hivantana avy hatrany eny anivon’ny rafi-piarahamonina, araka ny fitsirihana na­taon’ireo vondrona tsara sitrapo. Ho an’ny 974, Gasy Mira­ry, avy antsy amin’ny Nosy rahavavy, La Réunion, nisafidy an’i Kalajila, mpanakanto, izy ireo hitarika ekipa manao fitsirihana isam-pokontany sy izara izany ho tonga eny amin’ny tokotanin’ny traboina to­kony hisitraka izany. Vokany, ny fiandohan’ny herinandro teo, tokantrano 2 000 mahery notsinjaraina fanitso tamina fokontany samihafa. Nahafaly ny mpisitraka ny fomba fiasan’ireto vondron’olona misolo tena ny Malagasy tsara sitrapo monina sy mipetraka ao amin’ny Nosy rahavavy ireto. Nanamafy koa ny mpanankato Kalajila fa mbola ho avy ny fanampiana manaraka. Sajo

Share this post: