Fanavaozana ny fampianarana: Haharitra efa-taona ny fandaharanasa Pitaf
2026-02-28 - 05:36
Natomboka tamin’ny fomba ofisialy, omaly, teny Antaninarenina, ny fandaharanasa ho fanatsarana ny kalitaon’ny fanabeazana. Tohanan’ny Partenaire mondial pour l’éducation (GPE) sy ny mpiray ombon’antoka telo dia ny AFD, Unicef ary ny Banky iraisam-pirenena izy ity. Efa nosantarina ny taona 2025 ny asa ary hitohy hatramin’ny taona 2029. Ho fanavaozana ny fampianarana eny ifotony (Pitaf). Mitentina 89,4 tapitrisa dolara ny sora-bola hokirakiraina mandritra ny efa-taona ho an’ny akany fibeazana hatrany amin’ny kilasy T9. Tanjona ny hisitrahan’ny ankizy 4,7 tapitrisa fampianarana manana kalitao takina sy hahazoan’ny mpanabe 228 00 fiofanana manaraka ny fenitra, araka ny fanazavan’ny chargée de liaison GPE ao amin’ny minisiteran’ny Fanabeazam- pirenena, Andriantahiana Herilalaina Eddie. Hohatsaraina koa ny fotodrafitrasa ary hozaraina any an-tsekoly ny boky ho an’ny mpianatra sy ny mpampianatra, hanamorana ny fampitana ny fahalalana ao anatin’ity taom-pianarana ity. Fitohizan’ ny asa natomboka tao anatin’ny Paeb ny Pitaf ary voakasika avokoa ny Cisco rehetra manerana ny Nosy. «Mpianatra iray amin’ny roa (50%) no tsy mahavita hatramin’ny farany ny ambaratonga voalohany eto Madagasikara. Ireo mahavita hatramin’ny T5 kosa indray betsaka no tsy mahafehy ny taranja kajy sy vakiteny», hoy ny solontenan’ny Unicef eto amintsika, i Christine Jaulmes. Araka izany, zava-dehibe ny fanavaozana ny fanabeazana fototra. Asa lehibe fototra ny fanofanana ny mpanabe sy ny fanatsarana ny fitantanana ny sekoly. Vonjy