Fandaharanasa Creskèr : Tohana ho an’ny fampivoarana ny fandraharahana
2026-02-28 - 05:26
Tonga eto Madagasikara ny Creskèr hanampy ireo mpandraharaha hampivelatra sy hampiroborobo ny orinasany amin’ny alalan’ny fandaharanasam-panofanana. Tanjona ny hanohanana ireo mpandraharaha manana andraikitra stratejika amin’ny fampivoarana ny orinasa hahafahany mandinika sy miatrika ny zava-misy sy hanamafisana ny fahaiza-manaony amin’ny andraikitra sahaniny. Tetikasa izay nampahafantarina tetsy amin’ny Novotel Ivandry, ny alakamisy teo. Nanambarana ihany koa ny fitsangan’ny fikambanana mpitantana voalohany eto Antananarivo, amin’ny volana avrily. Maro amin’ireo tompona orinasa sy mpitantana ambony eto Madagasikara no mahatsapa fa sakana amin’ny fahombiazana sy ny fivelarana ny tsy fisian’ny tambajotra, mpanolotsaina (mentorat) sy ny fampitaovana hanatsarana ny fitantanana. « Manampy izany ny rafitry ny fitantanana izay mitarika amin’ny fanovana mpiasa matetika. Antony mahatonga ny Creskèr hizara ny fahaiza-manaony amin’ny alalan’ny fandaharanasa ataony», hoy ny mpitantana ny Creskèr, Héloïse Delhoume. Rafitra Miisa 15 ireo mpitantana avy amina sehatra marolafy hivondrona anatin’ny fikambanana. Hifanakalo hevitra sy hifampizara traikefa izy ireo ary hamaritra sahady ny vina iraisana ao anatin’ny fiofanana rantoviny. Mizara enina ny fiofana arahina lohahevitra. «Tanjona ny hampitovy ny hita sy ny fomba fijery azon’ireo mpisitraka avy eto an-toerana sy atsy amin’ny Nosy rahavavy La Réunion», hoy ny mpanentana ny Creskèr, Rajoelisolo Tiana. Marihina fa efa niforona ny taona 2017, tao La Réunion, ny Creskèr. Henintsoa