TheMadagascarTime

Fandalovan’ny Gezani : Nampitombo ny fidiram-bolan’ny mponina sasany ao Toamasina

2026-02-19 - 04:37

Samy manao ny fanarenana ny fotodrafitrasa simba ny ankamaroan’ny mponina any Toamasina. Nampitondra faisana tany an-toerana rahateo ny rivodoza Gezani. Nahitana fiakarany avokoa anefa ny vidin-javatra rahetra. Misy sokajin’olona mahazo tombony! Manoloana ny fahasimban’ny tanàna maro any an-toerana, lasa nahatonga fiforonan’ny asa tsy manara-drafitra isan-karazany izany zava-misy izany. Nahitana fiakarany avokoa ny vidin-javatra rehetra tany an-toerana amin’izao fotoana izao. Lasa tafakatra 500 Ariary ny vola amboniny izay takin’ny mpivarotra fahana any an-toerana. Misy mihitsy aza lasa 1000 Ariary, avo roa heny mihitsy izany, raha maka sy mandefa vola, amin’izao fotoana izao. Manodidina ny 1 000 Ar kosa ny micharge finday, 3 000 Ariary ho an’ny Power banc sy tablette ary 5 000 Ar ho an’ny solosaina entin-tanana. Ankoatra izay, nihazakazaka mividy Juvisy Molina manome herinaratra ny olona, noho ny mbola tsy fahatomombanan’ny herinaratra any an-toerana. Tafakatra hatramin’ny 700 000 Ar izany, ny andron’ny 11 sy 12 ary 13 febroary 2026 lasa teo. Somary nihena kosa izany nanomboka ny 14 febroary ka hatramin’ny fotoana nanoratana. Mitombo ihany koa ny olona mampiasa groupe, izay natao hichargena finday. 8 000 ar ny solika Etsy ankilany, niaka-bidy ihany koa ny fantsika, fanitso, ary hazo izay ilaina amin’ny fanorenana trano fonenana. Anisan’ny miroborobo any Toamasina koa ny bizina solika. Mbola tsy maharaka ny famatsiana eny amin’ny tobin-dasantsy, anton’izany. Varo­tin’ny olona 8 000 hatramin’ny 9 000 Ariary ny iray litatra amin’ny solika. Raha toa ka latsak’izay kosa ny eny amin’ny tobin-dasantsy, izay tena ilaharana. Nahitana fiakarany ihany koa ny saran-dalana amin’ny Bajaj. Lasa 2 000 hatramin’ny 2 500 Ariary izany amin’ny andro atoandro. Raha 3 000 hatramin’ny 5 000 Ariary kosa izany amin’ny alina. Fanosehana kalesa Miasa tanteraka sy tena fitaovam-pitaterana ilain’ny mponina ihany koa ny kalesa. Misy ny misafidy izany ho atao fitaterana fako, noho ny loto nateraky ny rivodoza. Eo koa ny mila izany hitaterana fitaovana sy entana tavela tao an-trano, indrindra ho an’ireo hifindra trano fonenana. « Re­sy izahay nefa kosa mifampiarahaba fa tsy maty fo aman’aina tamin’iny rivodoza iny », hoy ireo olona nanontaniana any an-toerana. Nofenoina kitapo feno Fadila ny tafo, nohamafisina amin’ny alalan’ny fantsika. Nofatorana ny varavarana, notapahina ny hazo, izay atahorana hianjera amin’ny trano. Tsy nahasakana ny faharavan’ny trano anefa izany fiomanana efa nataon’ny mponina izany, raha ny fanadihadiana natao tamin’ireo mponina any an-toerana. Rava avokoa na ireo toerana natao andraisana ny traboina aza. Sajo

Share this post: