Fanjifana : Dinika ho an’ny tombontsoan’ny mpamokatra eto an-toerana
2026-03-28 - 04:43
Manao antso avo momba ny tsindry ataon’ireo mpanafatr’entana ny indostria malagasy. Efa mihoatra ny 4 000 taonina ny vokatra sakafo sy fantsona plastika nafaran’i Madagasikara ny taona 2024. Nafana ny adihevitra teo amin’ireo mpisehatra, nandritra ny dinika, manoloana ny fitobahan’ny vokatra afarana eto amintsika. Fihaonana nokarakarain’ny biraon’ny rafi-pahefana nasionaly misahana ny fepetra fanitsiana ara-barotra na ny “Autorité nationale chargée des mésures correctives commerciales” (ANMCC), 67Ha, ny 25 sy 26 marsa teo. Nifantoka tamin’ny fantsona sy ny kojakoja plastika ny dinika natao ny andro voalohany, raha toa ka momba ny paty maina sy ny varimbazaha ho an’ny sakafo maraina kosa ny andro faharoa. Tsy nitovy hevitra ireo mpisehatra. Mitaky fiarovana maika ny vokatra eto amintsika ireo mpamokatra manoloana ny tsindry ny vokatra afarana. Miaro ny heviny kosa ireo mpandraharaha mpanafatr’entana sady nilaza fa tsy mitovy ny tsena kendrena, ny vokatra entiny. Manahy momba ny asa sy ny fanajana ny fitsipika iraisam-pirenena ireo mpisehatra. Tsy mbola nisy, araka izany, ny hevitra tapaka taorian’ny dinika natao. Tombontsoa Vaindohan-draharaha ny tombontsoan’ny mpanjifa. Nanasa ireo mpisehatra handray an-tsoratra sy hanolotra ny soso-kevitra ho an’ny ANMCC ny mpikarakara. Hetsika hatao mandritra ny 15 andro izy ity. Raisina aorian’izay ny fanapahan-kevitra farany mifandraika amin’ny tombontsoan’ny mpanjifa, araka ny fepetra fiarovana mifanaraka amin’ny filan’ny fikambanana iraisam-pirenena momba ny varotra (OMC). Heverina, araka izany, ny hampifandanjana ny fiarovana ny indostria mpamokatra amin’ireo tetikasa iombonana ho an’ny tombontsoan’ny mponina. Hitsinjovana ihany koa ny fiaraha-miasa amin’ireo mpiara-miombon’antoka ara-barotra. Nitohy ny alakamisy teo ny dinika fakan-kevitra niarahana tamin’ireo orinasa mpanodim-bokatra momba ny fiakaran’ny fanafarana akora fanaovana mofomamy sy ny varimbazaha ho an’ny sakafo maraina. Henintsoa