TheMadagascarTime

FANTINA sy FINTINA

2026-02-12 - 04:48

Naneho fiaraha-miory sy nampahery ny any Atsinanana, noho ny takaitran’ny rivodoza Gezani, ny filoha teo aloha, Ravalomanana Marc. Niantso ny firaisankina sy ny fifanampiana ary ny fifanohanana ny tenany ary haneho ny voin-kava-mahatratra. «Ilaina ny fanampiana sy ny fanohanana ary efa manana solontena any izahay hijery ny azo atao», hoy izy. Miray fo aminareo havana any Toamasina sy ny faritra Atsinanana ny filoha nasionalin’ny antoko Malagasy miara-miainga. Naneho fiaraha-miory amin’ireo namoy fianakaviana. «Miantso antsika mbola ao anatin’ny faritra holalovan’i Gezani mba ho mailo sy hampihatra ireo fepetra rehetra fa mbola ao anatin’ilay andro ratsy tanteraka isika izao», hoy izy. Nahatsiaro ny 11 febroary, nahalavo ny Kly Ratsimandrava, ny tao amin’ny sekolin’ny zandary ao Ambositra, omaly. Notsarovana sy nomem-boninahitra tamin’izany ireo rehetra maherifon’ny zandary teo am-panatanterahana ny asany. Nisy ny fotoam-pivavahana iraisam-pinoana notarihin’ny FFKM tany an-toerana, tamin’izany. Hamoaka boky torolalana sy paikady amin’ny fanarenana toekarena ny antoko Avi, araka ny nambaran’ny filohany, ny depiote Zavamanitra. Nanteriny fa misy ireo fomba azo hanampiana ny tanora hiditra amin’ny sehatry ny fandraharahana goavana. «Ho voarakitra ao anatin’io boky io izany», hoy izy. Midika izany fa tsy resaka politika ihany ny an’ity antoko ity.

Share this post: