Farakely: Hanamarika ny 15 taona an-tsehatra
2026-02-05 - 11:57
Toy ny vao omaly, kanefa efa lava dia lava ny lalan’i Farakely nandritra izay 15 taona izay. Noho ilay fifamatorana akaiky nisy teo aminy sy ny mpankafy no antony, ary mbola mihamafy izany amin’ izao. Antony nisafidianan’i Farakely ny hoe “Satria tiako ianareo...”, ho lohatenin’ny fampisehoana izay hotontosainy ny 1 marsa izao, manomboka amin’ny 3 ora, etsy amin’ ny CCEsca Antanimena io. “Satria tena izay fitiavana izay no mitondra ny mozikanay nandritra ny 15 taona. Tsy mora ny niainana ny 15 taona fa satria tianay ianareo dia tsy nijanona mihitsy izahay ary tsy hijanona intsony. Vavolombelon’ny fivoaran’ny tarika ianareo mpankafy sy mpanaraka hatramin’izay, mbola zaza raha 15 taona nefa kosa tena ho feno fitiavana sy fifampizarana ity fampisehoana ity”, hoy ny nambaran’i Farakely. Nanomboka tamin’ny famerenana hirana mpamorona hafa, avy eo niditra tamin’ny famoronana ihany koa, i Farakely. Nipetraka hoazy ny lokon’ny mozikany, niarahany niketrika tamin’ireo mpitendry matihanina, toa an-dry Sefo tany am-boalohany, Andry Tsitohaina, Hoby Naivoarivelo eo amin’ny fiangaliana ny gitara, ampian-dry Andry eo amin’ny zavamaneno tahaka, Tax amin’ny amponga maroanaka ary i Lepa eo amin’ny gitara beso. Zo ny Aina