Faran’ny herinandro : Nihanatevina ny « Fetin’ny mpifankatia »
2026-02-16 - 04:49
Tsy nijanona tamina fety notanterahina tany amin’ny toeram-pialamboly na efitrano malalaka fotsiny intsony. Nanjary nahitana lanonan’ny mpifankatia ireo trano fandraisam-bahiny anisan’ny lehibe ho an’ny teto an-dRenivohitra. Ankoatra ny fitomboan’ny isan’ny toerana nikarakara lanonana. Nihanatevina ihany koa ny «Fetin’ny mpifankatia » raha jerena amin’ny endriky ny fety, ny faran’ny herinandro teo. Nanjary nisy ny « Fetin’ny mpifankatia » niaraka tamin’ny vavaka nahenoina fanazavana niainga avy ao anaty Baiboly. Fetin’ny mpifankatia, nandrenesana velakevitra samihafa nataon’ireo ambara fa nilona taona maro tao anatin’ny fifankatiavana, sns. ... Samy nandoavana vidim-pidirana avokoa izy ireny, satria, nisy ny fandaniana, raha ny fanazavan’ireo mpikarakara. Samy nitadiavana tombony ihany koa, satria, izay ny lalanan’ny tolotra sy ny tinady eo amin’ny tontolon’ny varotra. Marihina fa tsy nankalazaina teto Madagasikara ny « Fetin’ny mpifankatia » raha tsy nanomboka nanome vahana ny kolontsaina vahiny ny Malagasy. Na, tsy nankalaza ny « Fetin’ny mpifankatia » aza ny Malagasy fahiny, nanana ny fomba niainany ny fitiavana. Iray amin’ireny ny « hanambadian-kiterahana. Ny hiterahana ho dimby... ». HaRy Razafindrakoto