Faritra Analamanga : Misokatra amin’ny loko rehetra ny fiaraha-miasa
2026-01-28 - 06:33
Manan-jara Ivato novangian’ny Lehiben’ny faritra Analamanga, omaly. Nitondra tantsoroka ho an’ny kaominina ny fitsidihana, hisian’ny fampandrosoana haingana. Nitsidika ny kaominina Ivato ny lehiben’ny faritra Analamanga, Raharinirina Clémence. Nandamina ny fiaraha-miasa tamin’ny kaominina maromaro tao amin’ny distrikan’Ambohidratrimo izy tamin’izany. Nambarany fa misokatra ho an’ireo ben’ny Tanàna rehetra, tsy mifidy loko ary tsy manavaka an’iza na iza ny faritra Analamanga. Manaraka ny fandaminana amin’ireo dingana ataon’ireo mpanao politika amin’ny fanarenana ny firenena isika. “Mandra-pahatongan’izany paikady fanarenana izany, tsy afaka jerena fotsiny ny vahoaka fa tsy maintsy mitohy ny asa”, hoy izy. Samy nilaza ny maharary azy, ao amin’ny kaominina misy azy avy, ireo ben’ny Tanàna mandrafitra io distrika io. Nanome toky ny Lehiben’ny faritra fa hatao izay azo hiaraha-miasa rehetra ho fampandrosoana ny tanàna sy ny faritra. Nanolotra fitaovana vaventy sy kamiao ho an’ny kaominina Ivato ny faritra hahafahana mandraoka fako sy mandeha amin’ny lalan-tsarotra itobian’izany. Nanolotra fitaovana hanampiana ny fanavaozana ny kaominina ihany koa ny tenany, toy ny simenitra... Tsy nanadino ireo olona marefo, nivatsy vary sy kojakoja ilaina andavandro nozaraina tamin’izy ireo ny tenany. Tetsy andaniny, niangavy ny fanamboaran-dalana sy fanazavana ny tanàna izay miantoka ny fandriampahalemana sy ny fampandrosoana ny tanàna ny ben’ny Tanàna Randrianarisoa Penjy. Nilaza ny Lehiben’ny faritra fa manodidina ny 37 miliara Ar any ho any raha vinavinaina ny tetibolan’ny faritra amin’ity taona 2026 ity. Betsaka ny asa afaka tanterahina manerana ny kaominina 142 mandrafitra ny faritra. Efa hiroso ao anatin’ny fanatanterahana ny asa goavana amin’ny fanamboarana lalana sy fampisitrahana rano fisotro madio ny faritra, amin’ izao fotoana. Tatiana A