TheMadagascarTime

Faritra Atsimo: Antoky ny fanjarian-tsakafo ny fambolena apemba, bajijy ary voanjo

2026-03-24 - 04:43

Marefo ny rafitra ara-tsakafo raha tsy mahazaka ny fiovan’ny toetr’andro ny voly. Anisan’ny vahaolana any atsimo hiatrehana izany ny fambolena apemba, bajijy ary voanjo. Tafapetraka ny 18 marsa teo ny fiaraha-miasa ao anatin’ny fandaharanasa Defis. Eo ambany fiahian’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana (Minae), vatsian’ ny Fida vola. Tanjona ny hanatsarana ny fiahiana ara-tsakafo sy hampitomboana ny fidiram-bolan’ny tantsaha any amin’ny faritra Atsimo, amin’ny alalan’ny fambolena mifanaraka amin’ny zava-misy any an-toerana. Voly avotra asongadina amin’ity fandaharanasa ity ny fambolena apemba (mil), ny bajijy (sorgho) ary ny voanjo. Mahazaka toetr’andro sy toe-tany maina. Tombon­tsoa azo ny fanatsarana ny sakafo sy ny fampitomboana ny fidiram-bolan’ny tantsaha. Hamafisina ny fikarohana sy ny fanavaozana. Noha­zavain’ny mpandrindra nasionaly ny Defis, Randriatiana Pierrot Serge, fa «hatao laharam-pahamehana ny fampitomboana ny masomboly mahazaka haintany. Hampifa­narahana ny fampiharana ny teknikam-pambolena agroekolojika any amin’ny faritra Atsimo. Ilaina ny fitantanana mahomby ny tany sy ny rano. Hatao ny fanodinana sy ny fitahirizana ny vokatra». Miisa 32 000 ny tantsaha kendrena hahazo tombon­tsoa. Hikendry velaran-tany 5 000 ha. Karazany 25 ny masomboly nohatsaraina hampiasaina, milanja 40 taonina, vokarin’ny PMS, hamokarana 400 taonina. Mandritra ny 30 volana ny fanofanana ny vondrona mpamokatra. Nanatrika ny fotoana ny lehiben’ny Faritra Anosy, Ran­dria­narivo Bertrand. Fikarohana sy fanofanana Nambaran’ny tale DAPV ao amin’ny minisitera, Rako­ton­dranaivo Lovaniaina, fa hapetraka ny banky masomboly. Hampiroboroboana ny fandraharahana ara-pamokarana (agri-business) izany. Miantoka ny fikarohana sy famokarana masomboly ny Fofifa. Handray an-tanana ny fanofanana kosa ny Icrisat. Nisy ny fifanakalozana mivantana tamin’ireo tantsaha mpamokatra, ny 19 marsa teo. Nojerena ny saha valatahaka nanehoana ny traikefa sy teknika nanandramana ny ma­somboly vaovao. Njaka Andriantefiarinesy

Share this post: