TheMadagascarTime

Federasionin’ny basikety : Feno ny fandaharam-potoana

2026-02-13 - 04:59

Nivoaka ary feno tanteraka, taorian’ny fivoriambe ny alarobia teo, ny fandaharam-potoan’ny Federasionina malagasin’ny basikety. Hisan­ta­rana izany ny fifanintsanana amin’ny fiadiana ny tapakila amin’ny “World Cup 5×5” Se­niors hatao any Sénégal, ny 26 febroary hatramin’ny 1 marsa izao. Efa anatin’ny fampivondronana tanteraka ny ekipam-pirenena malagasy amin’izao fotoana izao, eny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina. Aori­an’­izay, hisy ny fiofanana ho an’ny mpitsara. Hotanterahina manaraka koa ny fiadiana ny amboara maneran-tany “Basi­kety 5×5” Seniors izay hatao any Thaïlande, ny 12 hatramin’ny 15 marsa izao. Ho an’ny eto an-toerana, ny dingana voalohany amin’ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara N1A no hisantarana ny fandaharam-potoana ho an’ny FMBB, ka hatao any Antsirabe ny Zone Cen­tre, raha toa ka any Maha­janga kosa ny Zone Ouest. Hitohy misesy amin’ireo fifaninanana isan-tsokajiny izany aorian’izay. Anisan’ny fifaninanana tafiditra anatin’ny tetiandron’ny federasionina ihany koa ny « Smatchin » izay hatao ny 14 hatramin’ny 22 marsa izao, ao amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina. Mi.Raz

Share this post: