Federasionin’ny tenisy : Kandidà roa hiady ho filohany
2026-02-12 - 04:58
Rehefa avy nanamarina ny antontan-taratasin’ireo mpifaninana ny vaomiera mahaleo tena misahana ny fifidianana (Ceni) eo anivon’ny taranja tenisy. Kandidà roa no voatazona hiady izay ho filohan’ny Federasionina. Anisan’izany Andriantefihasina Hary Manohisoa sy Rakotondrainibe Simon Richard. Olona tsy vaovao amin’ny tontolon’ny tenisy izy mirahalahy ireo. Samy mpilalao tenisy fahiny ary mbola manohy izany ao anatin’ny sokajy zokiny. Rain’i Mirija, mpilalao ao anaty ekipam-pirenena zandriny, i Hary Manohisoa. Efa filohan’ny ligin’Analamanga tany amin’ny taona 2000 kosa i Simon Richard. Tsiahivina fa hotanterahina etsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny alarobia 18 febroary ho avy izao, ny fifidianana. Tsy anisan’ireo nirotsaka intsony ny filoha teo aloha, Rakotomaniraka Naina (Zandina). Tsiahivina fa ligim-paritra 8 no afaka mandatsa-bato. Analamanga, Vakinankaratra, Atsinanana, Boeny, Sava, Matsiatra Ambony, Amoron’i Mania ary Atsimo Andrefana no handrafitra izany. Tompondaka