Federasionina malagasin’ny Tenisy: Hatao ny 14 febroary ny fifidianana filoha
2026-02-04 - 05:18
Raha tsy misy ny fiovana, hotanterahina ny sabotsy 14 febroary ho avy izao, etsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny fifidianana izay ho filohan’ny Federasionina malagasin’ny tenisy (FMT). Io ny tetiandro navoakan’ny vaomiera mahaleo tena misahana ny fifidianana (Ceni). Araka izany, efa nanomboka omaly ny fametrahana ny taratasy filatsahan-kofidina ho an’ireo vonona ho kandidà, maniry hitantana izany, ho an’ny taom-piasana manaraka. Manana hatramin’ny alatsinainy 9 febroary, amin’ny 7 ora alina, ireo mpifaninana. Hatramin’ny fisokafany, tsy mbola nisy nitonona ho kandidà. Tsy mbola naharay antontan-taratasy ihany koa ny Ceni. Tsy maintsy mizaka ny zom-pirenena malagasy ny kandidà. Manao fangatahana an-tsoratra alefa amin’ny filohan’ny Ceni, ampiarahana amin’ny dika mitovy ny karapanondrom-pirenena na pasipaoro mbola manan-kery. Taratasy fanamarinam-ponenana sy filazana ny tsy mbola nahavoasazy na nigadrana, alaina eny amin’ny tribonaly, latsaky ny 3 volana. Avy hatrany dia ampiarahana amin’ny lisitr’ireo mpikambana ao aminy ny kandidà ka io no fidian’ireo mpandatsa-bato. Tsiahivina fa efa nahatontosa ny fifidianana ho azy ireo, nandritra ny volana janoary, ireo ligim-paritra mandrafitra ny Federasionina malagasin’ny tenisy. Raha ho an’Analamanga, voafidy hitondra ny ligy indray Randriamanantsoa Zolisoa Landy Lova. Tompondaka