TheMadagascarTime

Federasionina malagasin’ny tenisy: Lany ho filoha Andriantefihasina Hary Manohisoa

2026-02-19 - 04:45

Vita omaly, tao amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny fivoriambe ara-potoana hifidianana izay ho filohan’ny Federasionina malagasin’ny tenisy. Hitondra izany mandritra ny efa-taona manaraka indray Andriantefihasina Hary Manohisoa. Nahazo filoha vaovao ny taranja tenisy. Voafidy hitondra sy hitantana ny Federasionina, mandritra ny efa-taona manaraka indray, Andriantefihasina Hary Ma­nohisoa. Nahazo vato 100 isan-jato tamin’ireo ligy valo mandrafitra ny federaly ny tenany, raha toa ka tsy nahazo vato mihitsy Rakoton­drainibe Simon Richard, mpifaninana taminy. Marihina fa tonga nifidy ny filohan’ny ligin’i Vakinanka­ratra, Boeny, Atsimo Andre­fana, Matsiatra Ambony, Amoron’i Mania, Atsinanana, Analamanga ary Sava. Ho laharam-pahamehana ho azy ny fampiraisana ny Malagasy rehetra misehatra amin’ity taranja ity, raha ny filazany izay somary nisy disadisa izy io teo aloha. “Ny vinan’asa akaiky dia ny manambatra ny hery ho an’ny tenisy malagasy. Soma­ry nisy disadisa kely teo aloha, nefa izahay mila ny olona rehetra tia ny taranja, ka izay no ezahinay halamina”, hoy ity mpitantana ny FMT ity. Ankoatra izay, mikasa ny hanao fifaninanana iraisam-pirenena maro eto Madaga­sikara ny Federasionina mba hahafahan’ireo mpilalao rehetra mahazo isa, hiatrehana ny fifaninanana afrikanina. Ny volana jolay ho avy io, misy ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, ho an’ny sokajy zandriny U18, miandry an’i Mada­gasikara. Fifaninanana nasionaly Araka ny nambaran’ny Filohan’ny FMT, efa noresahina tamin’ireo ligy ny fandaharam-potoan’ny fifanintsanana amin’ity taom-pilalaovana ity. Raha tsy misy ny fiovana, hotontosaina ny volana aogositra ho avy izao, eto Anta­nanarivo, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madaga­sikara. Hampiavaka azy ny fisian’ny lalao ho an’ny isan-tarika rehefa vita ny fihaonan’ny tsirairay. F.R

Share this post: