TheMadagascarTime

Festival Dôla Beach Vatomandry : Totorebika mandritra ny efatr’andro sy efatra alina

2026-03-25 - 04:34

Fetibe eny amin’ny torapasika mandritra ny hefarana. Ny 3 hatramin’ny 6 avrily izao no hanatontosana ny « Festi­val Dôla Beach » any Vato­mandry. Totorebika andro aman’alina toy ny efa mahazatra, satria hiditra amin’ny andiany faha-14 izany amin’ izao. “Efa fotoana ifanome­zana izy ity. Miezaka mana­tsara ny hetsika, mampiditra ireo izay andrasan’ny maro ary mitazona izay efa be mpan­kafy hatrany izahay”, hoy ny nambaran’ny filohan’ny komity mpikarakara, omaly, tetsy amin’ny Foiben’ny Yas Andra­haro. Araka izany, hisy avokoa ireo karazana hetsika nampalaza ny “Dôla Beach” hatrizay. Ireo fifaninana ara-panatanjahantena maro, toy ny “rugby beach”, tolona, sns. Ireo fifaninanana ara-javakanto toy ny dihy basesa, ny “miss” sy “mis­ter”, ary ireo fialamboly maro toy ny “belote”, sns. Ma­zava loatra ny fampisehoana goavana, izay hafanain-dry Lico Kininike, Dadi Love, Joh­nito, sns, amin’ity andiany ity. “Fihaonamben’ny mpiana­kavy, ary anisan’ireo mahavantana ny miala sasatra i Va­tomandry, indrindra hatramin’ izay nisian’ny Dôla Beach. Antony niarahan’ny Yas ta­min’ny hetsika izany”, hoy ny tomponandraikitr’ity orinasa ity. Zo ny Aina

Share this post: