TheMadagascarTime

“Festival du Film Francophone” : Halefa ireo sarimihetsika manasongadina ny vehivavy

2026-02-28 - 05:36

Hanamarihana ny iray vo­lan’ny Frankôfônia ny “Festi­val du Film Francpophone”. Ho an’ny eto Madagasikara, ho­tontosaina ny alarobia 4 marsa sy ny sabotsy 7 marsa izany, etsy amin’ny IFM Ana­la­kely. Nosafidiana manokana ireo sarimihetsika manasongadina ny vehivavy amin’ity. Tsy miala amin’ny lalantsaina novoizina hatramin’izay anefa, dia ny sarimihetsika amin’ny teny frantsay, fa maneho ny fahasamihafana manerana ny firenena maro mandala ny Frankôfônia. Halefa maimaimpoana sy misokatra amin’ny rehetra ihany koa, izany mba hipaka ny hafatra entiny. Sarimihetsika vokatra avy any Egypte, Maroc, Rouma­nie, Tunisie, RD Congo, sns, ireo nosafidiana manokana halefa ireo. Aorian’ny fanokafana amin’ny fomba ofisialy, ny alarobia 4 marsa, hiaraha-mijery ny “Mary Anning”, sarimiaina nahazo fankasitrahana nandritra ny “Festival de Locarno”. Manaraka avy eo ny “Sarah Bernardt, la divine”, izay hamerina ny tantara any ambadiky ny taona 1896, tany Paris. Hamarana ny alarobia kosa i “Borgo”, tantara nahazo fankasitrahana tamin’ny “César” ihany koa. Hisesy ny sabotsy 7 marsa koa ny “Marie, Reine de Roumanie”, “Le sixième jour”, “Rock the Casbah” ary “Les filles d’Olfa”. Hisy ny resadresaka fifampizarana eny antsefantsefan’ny fijerena ireo sarimihetsika ireo. Zo ny Aina

Share this post: