Fetin’ny mpifankatia MJ Events: Etsy Ampandrana ny « L’Arcane de l’amour »
2026-02-14 - 05:29
Anisan’ny mikarakara hetsika amin’izao fetin’ny mpifankatia, 14 febroary, izao ny eo anivon’ny MJ Events. Lohatenin’izany ny «L’Arcane de l’amour». Hanomboka amin’ny 10 ora maraina, etsy amin’ny Lounge Bar Arcana Ampandrana, izany. Hisongadina ho an’ny tapakandro maraina ny hetsika «Koty koty party». Hanaovana karazana kilalao samihafa izy io. Eo koa ny fifampizarana. Manampy izany koa ny «Speed dating», natokana ho an’ireo tokantena fa afaka milalao amin’izany koa anefa na ireo mpifankatia. Hisitraka valisoa isan-karazany ireo mpifaninana amin’ireo lalao rehetra ireo. Hisongadina amin’ny tolakandro kosa ny seho an-tsehatra iarahana amin’ireo mpanakanto. Anisan’ny haneho ny talentany amin’izany ry Malma, Maroozik, Fee Fee ary koa artista tsy ampoizina. Tsiahivina fa anisan’ny hetsika nokarakarain’ny MJ Events koa ny seho, omaly, tetsy amin’ny Oke club karaoke – Lounge & Grill 67 Ha. Nampiakaran’izy ireo an-tsehatra indray ny tarika ADR Andriann, rehefa tsy hita firy teo aloha teo. Anisan’ny novoizin-dry zareo ny gadona «Reggae, Soul, Dancehall...» Nialoha izany, anisan’ny hetsika nokarakarain’izy ireo ny tamin’ny volana septambra lasa ka nanatanterahana ny «Festival Miz’art», nampiakarana an-tsehatra mpanakanto maro, mivoy gadona samihafa. Synèse R.