Fetin’ny mpifankatia : Nanokatra ny taom-pampisehoana 2026
2026-02-16 - 04:49
Nitontona faran’ny herinandro, ary tanatin’ny andro tsara. Saika nahitam-pahombiazana avokoa, araka izany, ireo fety aman-danonana izay tafiditra tao anatin’ny fankalazana ny fetin’ny mpifankatia, tamin’ity. Ny zoma 13 febroary dia efa nanomboka izany, notohizana ny 14 febroary, tena andron’ny fankalazana ary nofaranana omaly alahady. Nanokatra ny taom-pampisehoana 2026 ihany koa izany, satria vao vita eo ny fotoam-pahavaratra dia efa hisesy ny seho an-kalamanjana, raha tsy misy sampona hafa indray. Mazava loatra fa anisan’ny seho goavana indrindra, omaly, ny “Che Bel Canto 2.0” tetsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina. Nentin’i Tovo J’Hay niridana tany amin’ny 20 taona lasa mahery tany ireo mpankafy, izay nameno ny Lapa. Voaporofo indray fa tsy tontan’ny ela ireo hirany, ary nahazo aina vao izany niaraka tamin’ireo andriambavilanitra namany. Amin’ny maha “Che Bel Canto” azy mantsy, samy nitondra ny mampiavaka azy tamin’ireo sanganasan’i Tovo J’Hay ry Malala ‘zay, Nanie, Tosy, Ayam ary Johane. Fa ny miavaka indrindra tamin’iny faran’ny herinandro iny kosa dia tsy misy adihevitra fa ny “Miseho milay”. Andiam-pampisehoana nataon’i Joely tetsy amin’ny CCI Ivato izy ity, nandritra ny telo andro be izao ary mbola nisy seho roa ny sabotsy. Seho efatra, araka izany, no notontosain’ity mpanao hatsikana miavaka amin’ny namany ity, izay tsy mbola nisy nahavita afa-tsy i Joely, hatreto. “Tsy miseho milay fa tena milay”, hoy, avokoa, ireo nanatri-maso rehetra. Tsy nisy nitaraina ho tsy afapo fa ny nitady famerenana aza no betsaka. Inona ny tsiambaratelon’i Joely? Ilay hatsikana miala amin’ny mahazatra ny Malagasy... Ilay miresaka ny zava-misy marina sy mahitsy amin’ny fanaovany azy. Ilay mampiditra lohahevitra mafonja, kanefa hampitaina amin’ny hatsikana, sns. Tsy ireo irery raha ny teto Antananarivo fotsiny, satria teo koa ny fampiaraham-peon’i Henri Ratsimbazafy sy Voahirana, tetsy amin’ny Havoria, izay namerina ireo mpankafy tany ambadiky ny taona maro. Teo ihany koa ny seho voalohany nanamarihana ny fandalovan’i Tahiry an-tanindrazana, tetsy amin’ny City Art Ivandry. Nahenoana indray ireo hiran-dry Ndondolah sy Tahiry natoritory tany io... Zo ny Aina