TheMadagascarTime

Fiadidiana ny fanavaozana ny Repoblika: Nanampy ny fikambanan’ ny mpanao gazety

2026-02-26 - 04:46

Tonga mivantana, nitondra fanampiana, tamin’ny filohan’ny mpanao gazety ao Toamasina, i Sabotsy Aimé José (Sajo), ny sampana misahana ny asa sosialin’ny Fiadidiana ny fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara sy ny Gen XYZ, rantsana Toamasina, tarihin-dRajaonary Sylvestre (Coco velogna). Ny minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina, Gascar Fenosoa, kosa no nanolotra izany tamin’ny fomba ofisialy. Samy nisitraka vary iray kitapo, fanitso efatra takelaka amin’ny refy 2,50 m ary kojakonja fampiasa an-dakozia ny mpanao gazety sy ireo mpiasa mpanentana amin’ny haino vaky jery mivondrona anivon’ny A.J.T miisa 70 mianadahy. Nambaran’ny minisitra fa fitiavan’ny kolonely Randrianirina Michaël, filohan’ny Fanavaozana, ny mpanao gazety manokana izao fahatongavan’ny fanampiana mivantana amin’ny mpanao gazety ao Toamasina izao. Nohamafisin’ ny filohan’ny fikambanan’ny mpanao gazety fa natokana ho an’ireo mpanao gazety sy mpanentana rava trano sy simba fananana kanefa tsy nitsahatra nidina ifotony nanangom-baovao ny fanampiana. Sajo

Share this post: