TheMadagascarTime

Fiahiana ny traboina any Toamasina : Mampandry fahalemana ny Foloalindahy

2026-02-23 - 04:46

Miatrana efa ho telo andro ao Toamasina, manampy ny efa any an-toerana ireo mpitandro filaminana avy aty Antananarivo. Maherin’ny 600 isa izy ireo izao nahetsika izao. Mazava ny toromarika nomen’ny Praiminisitra lehi­ben’ny governemanta, Rajao­narivelo Herintsalama fa tafi­ditra amin’ny fanamafisana ny fandraisana andraikitry ny fitondram-panjakana izao hetsika izao. Any an-toerana rahateo ny tenany ary nampahatsiahy ny iraka tanterahan’ ireto mpitandro filaminana ireo. Anisan’izany ny fametrahana fandriampahalemana, manerana an’i Toamasina. Tafiditra ao anatin’izany ny fiantohana ny lafiny filaminana sy ny fiarovana ny vahoaka miaraka amin’ny fananany. Eo koa, ny fanohana sy ny fanampiana ny vahoaka eo amin’ny fiza­rana ireo tohana sy fanomezana mba ho ara-potoana sy anaty mangarahara tanteraka izany. Manampy izany, ny hanarenana anatin’ny fotoana fohy sy ezaka ho amin’ny fa­merenana amin’ny laoniny ny fiainan’ny vahoaka andavanandro sy ireo fotodrafitrasa samihafa ao amin’ity renivo­hitry ny faritra Atsinanana ity. Ahitana miaramila sy zandary ary polisy Efa nanangana tranolay any Toamasina koa ny eo anivon’ny Tafika natokana ho toeram-pitsaboana maimaimpoana ho an’ny vahoaka re­hetra, mety marisarisa ka hisitrahan’izy ireny ny fanafody. Mian­drai­kitra izany ireo miaramila mpi­tsabo. Manampy izany ny fiaraha-miasan’izy ireo amin’ny BNGRC amin’ny fandrindrana asa sy fanam­piana ny vahoaka ary ny fandaminana izany. Tsiahivina fa hanampy isa ireo hery Fiarovana sy filaminana efa any an-toerana ireto andiany ahitana miaramila sy zandary ary polisy ireto. Synèse R.

Share this post: