TheMadagascarTime

Fiaraha-miasa : Hamaha ny olan’ny herinaratra ny Japoney

2026-03-05 - 04:47

Nambaran’ny minisitry ny Raharaham-bahiny, Razanamahasoa Chris­tine, fa zava-dehibe ny lanonana fanaovan-tsonia fiaraha-miasa amin’ny fitondram-panjakana japoney, omaly, teo anivon’ny minisitera. Miom­pana amin’ny famatsiam-bola 68 miliara Ar izany. « Mitondra vahaolana amin’ny ampahany ny olana nitarainan’ny vahoaka izany. Anisan’izany ny olan’ny herinaratra ka anisan’ny hisitraka izany ny ao Toamasina », hoy izy. Notsiahiviny fa nataon’ ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika, ny Kly Randria­nirina Michaël sy ny governemanta ho laharam-pahame­hana izany. Nankasitraka ny fanjakana japoney amin’ny alalan’ny masoivohon’ny Japon sy ny Jica ny tenany noho ny fanohanana ny fitondram-panjakana Fana­vao­zana sy ny filan’ny vahoaka. Hanatanteraka ny asa kosa ny minisiteran’ny Angovo sy ny akoranafo, miaraka amin’ny Jirama. Voatsiahy tamin’izany fa anisan’ny manana andraikitra manokana eo amin’ny fanatanterahana ny laharam-pahamehan’ny governemanta ny eo anivon’ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny. Synèse R.

Share this post: