Fiaraha-mientana
2026-02-12 - 04:48
Tena nanao ny nataony ny rivodoza farany teo. Sasatry ny miarina ny firenena ao anatin’ny faritra iforonana sy andalovan’ny rivodoza, saika isan-taona. Na izany aza, tsy atao hahakivy na handreraka ambony ihany izany: tsy maintsy atrehina, iomanana mialoha hatrany. Mby amin’ny hoe izay tsara fiomanana, tsy tampohin’ny loza. Efa manao izay efany sy afany ny fitondram-panjakana amin’izao: voin-kava-mahatratra. Zava-dehibe ny famonjena avy hatrany ireo traboina: tsy iandrasana fotoana, tsy ifampiandrasana. Na ahoana na ahoana, tsy maintsy atrehina ny fiainana andavanandro mandavantaona. Saingy mety ho vonjimaika ihany ny fanampiana sy ny fanomezan-tanana: tsy mahavita taona, tsy mahahenika ny rehetra, tsy mahafa-po rahoviana. Mila mijery lavitra amin’izay? Indrindra amin’ny hoe fampandrosoana... Efa fantatra sy ampoizina isan-taona ny mety ho fiavian’ny rivodoza sy ny andro ratsy. Tsara iomanana mialoha hatrany? Efa misy ary be dia be ny ezaka amin’izany. Na izany aza, mila mijery lavitra? Ao anatin’izany, ohatra, ny fialana amin’ny tondradrano na tanimbary na tanàna, ny trano rava... Ho vita vetivety? Saingy mila atomboka, ohatra, ny amin’ny fanorenan-trano: tsy ho ambany toerana, tsy ho eny ambony lakandrano... Mba tsy ho gaboraraka izany. Misy fepetra hentitra sy mazava. Miara-dalana amin’izany ny amin’ny fanotorana tany, indrindra an-tanàn-dehibe. Eo koa ny amin’ny fanorenan-trano: mahazaka rivodoza, ohatra. Tsia, tsy ifanomezan-tsiny, sanatria, izay misy sy iainana amin’izao... tsy mahafa-bela. Mbola izay aloha. Na izany aza, mila mijery lavitra amin’izay. Na fanovana, na fanavaozana... Sao sanatria, aza hita aza atao mahita: tsy voin-kava-mahatratra no hitranga, fa voin-tena tsy mijery lavitra... R. Nd.