TheMadagascarTime

Fiarahamonim-pirenena miisa 329 : “Tokony hilaza na ho kandidà na tsia ny mpitondra”

2026-02-20 - 04:46

Hentitra ireo eo anivon’ny fiarahamonim-pirenena miisa 329, tamin’ny fanambarana nataon’izy ireo, omaly. “Aoka hanao fanambarana ampahibemaso mazava ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika raha hilatsaka ho fidina na tsia mba tsy hisy firoaroan-tsaina amin’ny mety ho fitaka any aoriana”, hoy izy ireo. Takin’ ireto firaisamonim-pirenena ireto tsy hirotsaka hofidina depiote, loholona, filoham-pirenena, ny mpanao politika na olom-pirenena misahana andraikitra ambony, raha tena fitiavan-tanindrazana fa tsy fitiavan-tena araka ny voalaza no andraisana andraikitra. “Hisorohana ny fampiasana fahefana, fitaovana, sy ny olona ary ny volam-panjakana mandritra ny fitondrana Tete­zamita mba hahazoany tombony manokana amin’ny fifidianana manaraka ny anton’izany”, hoy izy ireo. Takin’izy ireo koa ny hantanterahana haingana ny fikaonandoham-pirenena iaraha-midinika sy hanaovana teny ierana ny vina, ny iraka, ny tanjona sy ireo laharam-pahamehana. Eo koa ny fomba hanatanterahana ny asa mandritra ny fitondrana Tetezamita. Tokony hafainganina koa ny fanavaozana ny Andrim­panjakana sy ny làlana, ka anisan’izany ny dinika mety hanovana ny lalàmpanorenana, ny fanafoanana ny HCC sy ny Antenimiera, ny fanavaozana ny lalàm-pifidianana sy ny lisi-pifidianana mba ho voatazona ny 24 volana haharetan’ny fitondrana Tetezamita, araka ny fanambarana hatrany. Na izany aza, nankaherezin’izy ireo ny asa tsara vita, toy ny nanondrotana ny karama, ny fampihenana ny delestazy, ny famoahana ny gadra politika, ny famongorana ny fahavalom-pirenena, ny fananganana ny minisiteram-panjakana misahana ny Fanavaozana... Synèse R.

Share this post: