Fiatrehana fifidianana : Nisy ny fiaraha-midinika tamin’ny solontenan’ny OIF
2026-03-04 - 04:46
Fanohanana ny dingan’ny fanavaozana miainga eny ifotony ao anatin’izao fitondrana Fanavaozana izao ny Repoblikan’i Madagasikara, tarihin’ny filoham-panjakana, ny kolonely Randrianirina Michaël, izao. Izay no anisan’ny niompanan’ny fifampidinihana tamin’ny fitsidihana ara-pomba fifanajana nataon’ny solontenan’ny Fikambanana iraisam-pirenena ho an’ny firenena miteny amin’ny ampahany na manontolo ny teny frantsay (OIF), aty amin’ny faritry ny ranomasimbe Indiana, i Traian Laurențiu Hristea. Ny mpitahiry ny fitombokasem-panjakana sady minisitry ny Fitsarana, i Ernaivo Fanirisoa, no notsidihiny teny amin’ny minisiteran’ny Fitsarana, Faravohitra, omaly. Nifampidinihan’ny roa tonta koa ny amin’ny fanatsarana ny rafitra sy ny zotram-pifidianana eto Madagasikara amin’izao fanavaozana ny Repoblika izao. Eo indrindra koa ny amin’ny lafiny fanamafisana ny fangaraharana sy ny fahamendrehana ary ny fitokisan’ny vahoaka amin’ny fizotran’izay fifidianana izay. Tsy latsak’izany, voaresaka ny amin’ny mety hisian’ny fanohanana ara-teknika sy fifampizarana traikefa avy amin’ny OIF, mba hanatsarana hatrany ny rafitra sy ny fomba fanao mifanaraka amin’ny fenitra iraisam-pirenena eo amin’ny tontolon’ny fifidianana. Tsiahivina fa ao anatin’ny fanohizana ny fiaraha-miasa eo amin’ny minisiteran’ny Fitsarana sy ny OIF efa nisy ny fiaraha-midinika. R. Nd.