TheMadagascarTime

Fief Mada-Ma-Hery Futsal : Mahatratra 22 ny oniversite mifanintsana

2026-02-24 - 04:35

Notanterahina ny alahady 22 febroary lasa teo, tao amin’ny Kianja mitafo Maha­masina, ny lanonam-panokafana ny “Ma-Hery Futsal”, hetsika karakarain’ny Fief Mada. Mahatratra 22 ireo ekipa amin’ny Oniversite mandray anjara amin’ity andiany voalohany ity, ka ny 18 amin’izy ireo hifanintsana amin’ny sokajy lehilahy ary ny efatra ambiny ao amin’ny vehivavy. Ho an’ny lehilahy, anisan’ireo mandray anjara amin’izany ny Oniversite ISTS, AEGM, E Media, U Magis, ISFPS Leader, Inscae, Infocentre, Isecom, Isets, Onifra, DSK, InSPNMad, ENS, ESD, Ace­em, IUM, ISPM, UPH. Eo amin’ny vehivavy kosa no ahitana ny U Magis, ISFPS Leader, ISPM, Isecom. Tsara ny mampahatsiahy fa ankoatra ny taranja baolina kitra anaty efitrano “futsal”, misy ny fifaninanana amin’ny dihy an-tanàn-dehibe “Dance Urbain” sy ny filatroana amin’ ny hatsaram-bika sy tarehy “Miss et Mister”. Tanjon’ny hetsika tahaka izao ny hanabe ireo tanora ka ho entitra ny fanaraha-maso amin’ireo Oni­ver­site izay minia mampiasa mpikaraman’ady ary hahazo sazy mafy izay tratra manao izany. Hifarana ny 1 marsa ho avy izao ny fifanintsanana. Ampahafantarina fa miara-misalahy amin’ny Fief Mada ny minisitera roa: ny Tanora sy ny fanatanjahantena (MJS) sy ny Serasera sy ny kolontsaina (MCC). Fitia Randria

Share this post: