TheMadagascarTime

Fikambanana Valimbabena : Nizarana hazavana Baliaka ireo zokiolona

2026-02-07 - 05:18

Zokiolona ao amin’ny fokontany Androhibe sy Ambatobe no nisitraka hazavana maimaimpoana, tamin’ny alalan’ny kit MBaliaka. Zokiolona avy amin’ny ankohonana marefo izy ireo. Tsy manana herinaratra akory aza ny sasany ao an-tokantranony. Fiaraha-miasa amin’ny Fondation Axian sy ny Yas ary ny fikambanana Valimbabena no nahafahana nanome ireo jiro. Miahy ireo zokiolona an-jatony amin’ny fokontany maromaro ny fikambanana. Mitsinjo ny resaka sosialy, fahasalamana, miaro azy ireo tsy ho voahiliky ny fiarahamonina.... “Hanampy betsaka amin’ny fikarakarana ao an-tokantrano rehefa hariva ny jiro”, hoy ireo mpisitraka. “Hahafahan’ny zafikeliny mianatra manao enti-mody amin’ny hariva ihany koa ny jiro”, hoy hatrany ireo raiamandreny lehibe nahazo izany. Tatiana A

Share this post: