TheMadagascarTime

Filoha Randrianirina Michaël: « Hampidinina ny vidin’ny entana eny an-tsena »

2026-02-20 - 04:46

Tafiditra tao anatin’ny fandaharam-potoan’ny filoham-panjakana, Randrianirina Michaël, any Rosia ny fihaonany amin’ ireo teratany malagasy Diaspora mianatra sy miasa any amin’ity firenena ity. Nisongadina tamin’ny fiha­o­nana fa hojerena ny nanaovan’ny sasany ny ampihimamba amin’ny resaka kojakoja ilaina amin’ny fiainana andavanandro. «Ha­taon’ny fanjakana laharam-pahamehana ny fanokafana izany mba hipetrahan’ny fifaninanana, hahafahana mampidina ny vidin’ny entana eny an-tsena», hoy izy, nanoloana ireo Malagasy milaravinahitra any Rosia. Voaresaka koa ny olan’ny mpianatra any amin’ity firenena ity. Niverimberina nandritra ny fifampiresahana ny olan’ny tranon’ny mpianatra eto Madagasikara sy ny fihanaky ny kolikoly. Etsy andaniny, hetahetan’ireo diaspora malagasy any Rosia ny tokony hijerena ny hanamboarana ny pasipaoron’izy ireo any an-toerana. « Anton’izany ny hanafainganana ny fikarakarana ny taratasy, noho ny fahamaroan’ireo Malagasy any Rosia mila izany sady mba hampanara-dalàna ny fipetrahanay aty an-tany lavitra aty », hoy izy ireo. Tsy kajikajy politika Mifandraika amin’izany ny fanirian’ny fanjakana handefa mpianatra handranto fianarana any an-toerana. Mbola miankina amin’ny fanjakana rosianina anefa ny fanatanterahana izany, araka ny fanazavana hatrany. Nambaran’ny Filoham-panjakana koa fa efa eo am-panomanana ny fikaonandoham-pirenena ny tomponandraikitra amin’izao fotoana izao. « Tokony hivoitra amin’izany ny hetahetan’ny vahoaka fa tsy ny resaka kajikajy politika », hoy izy. Nambaran’ny filoha fa tsy mora ny manangana firenena ka nangataka ny faharetan’ny rehetra sy ny fitokisana ny tenany. Synèse R.

Share this post: