Firarazana Ankazobe : Nanokatra sekoly vaovao ny Fondation Axian
2026-03-25 - 04:44
Notokanana ny faran’ny herinandro teo ny EPP vaovao namboarin’ny Fondation Axian ao Firarazana Ankazobe. Any anatin’ny faritra anaovana fanarenana ala efa ho roapolo taona izay tantanin’i Alterra no misy io sekoly io. Tafiditra ao anatin’ny ezaka lehibe ho fampandrosoana ny faritra izy io, hampifandray ny fiarovana ny tontolo iainana sy ny fanohanana mivaingana ny fiainan’ny mponina eny ifotony. Efa mihoatra ny 15 taona izao no iasan’ny Fondation Axian eto Madagasikara. Hatramin’izao, nandray anjara tamin’ny fanorenana sy fanavaozana sekoly 230 ny Axian ka ankizy maherin’ny 56 000 no misitraka izany. Ny Sekoly Yas no nanome ny efitrano fianarana azo antoka sy mifanaraka amin’ny filana. Ny madio Toa kosa nanangana ny trano fidiovana manara-penitra ary ny M’Hetsika MVola nanome kianja fanatanjahantena marolafy. Manampy mivantana ny mpianatra sy ny mpampianatra ireo fotodrafitrasa ireo. Efa simba be rahateo ny sekoly taloha ka tsy nahavaly ny fitomboan’ny isan’ny mpianatra intsony. Nohariana ho tsara fitaovana ny sekoly. Manaja ny fahadiovana. Tsy fotodrafitrasa fotsiny fa hamorona tontolo tsara ho an’ny fianarana, ny fahasalamana ary ny fivelaran’ny ankizy ihany koa mba hahafahan’izy ireo manangana ny hoaviny. Tatiana A