TheMadagascarTime

Fitsinjarana ny fanampiana : Ilaina ny fitsipi-piton­drantenan’ny tsirairay

2026-02-27 - 04:56

Tamin’ny fandalovan’ny Praiminisitra tany Toamasina, napetraka ny drafitrasa hamonjena an’i Toamasina, ahafahan’ny olona miverina amin’ny fiainana andavanandro. Zavatra telo no laharam-pahamehana taorian’ny fandalovan’ny rivodoza Gezani tany Toamasina I sy II. Eo ny fitsinjarana ny sakafo, ny fampianarana ary ny fahasalamana. Faharoa ny fanadiovana ny tanànan’i Toamasina I satria renivohitr’i Madagasikara amin’ny toekarena izy ary farany ny famerenana haingana ny jiro sy rano. Tsy misy toeram-pandraisana intsony any an-toerana fa ravan’ny rivodoza ny ankamaroany nefa nisy fiantraikany tamin’ny fiainan’ny 80% ny mponina ny rivodoza nandalo. Niova ny fomba fiasa ka midina eny amin’ny fokontany ny tomponandraikitra. Nanamafy ny tale jeneralin’ny BNGRC fa tokony hanana fitsipi-pitondrantena ny tsirairay manomboka amin’ny mponina hatrany amin’ny tomponandraikitra. Matetika mitombo an-dalana ny isan’ny olona hisitraka sakafo. Najanona koa tao anatin’ny roa andro aloha ny fitsinjarana « cash transfert » ataon’ny Pam sy ny Fid satria olona efa voafaritra no mahazo azy, araka ny lamina mialoha ny fandalovan’ny rivodoza ary tsy afaka mivaona amin’ireo efa olona iantefany ny tomponandraikitra. Efa ao anatin’ny fijerena ny drafitra fanarenana ny governemanta amin’izao fotoana izao. Tsy mbola manomboka ny fanarenana voafaritra ao anatin’ny politika fitantanana ny loza sy ny tandindon-doza fa famonjena aloha no imasoana. Vonjy

Share this post: