TheMadagascarTime

FIVOI : 40 000 zana-kazo voavoly

2026-02-25 - 04:46

Nanantanteraka fambolen-kazo tany Antanetibe Maha­zaza, distriskan’Ambohidratrimo, ny faran’ny herinandro lasa teo, ny Fivoi. Nahatratra 40 000 fototra ireo zana-kazo novolena nandritra izany, nahitana karazana zana-kazo kesika sy kininina. Efa nahatratra taonina iray ny zana-kazo naparitaka tamin’ny disitrika maro manerana ny Nosy. « Miainga avy amin’ny tany sy ny hazo ary ny famerenana ny tontolo ho maitso ny fampandrosoana», hoy ny solombavambahoaka, Rajerison Antoine, nandritra ny hetsika. Nam­barany fa lasa atao fomba ihany sisa ny fambolen-kazo ary tsy hifantohana sy tsy misy rafitra matipaika entina hamere­nana azy ho maitso. Noho ny fihenan’ny ala eto amin’ny Nosy no miteraka tsy fahaleovan-tena ara-bary, ny tsy fisian’ny rano sy ny jiro sy ny rano tapaka lava. Ny fahalotoan’ny rivotra no mampirongatra ny aretina isan-karazany. Zava-dehibe sy adidin’ny rehetra ny fambolen-kazo. « Tokony hahay hahatsapa tena ary hanokana vola mba hitsinjovana ny hoavin’ny tara­naka amin’ny alalan’ny fambolen-kazo ny tsirairay fa tsy hiandry minisitera na fikambanana isan-tsokajiny », hoy izy. Hanome tolotra sy fanampiana ho an’ireo traboina vokatry ny fanda­lovan’ny rivodoza Gezani lasa teo, any Toamasina, koa ity antoko ity. Mino

Share this post: