« Foire Pro’hygiène-cosmétique »: Homena sehatra ny mpanao asa tanana
2026-02-24 - 04:35
Hotanterahina ny 30 avrily sy ny 1 ary 2 mey izao, eny amin’ny Kianjan’i Mahamasina, ny hetsika «Foire Pro’hygiène-cosmétique». Misahana manontolo ny fikarakarana ny ZRK Event. Fotoana io hanomezana sehatra ireo orinasa sy mpanao asa tanana. Tafiditra ao anatin’izany ny mpisehatra rehetra eo amin’ny «Propreté, hygiène, nettoyage, cosmétique, bien-être...». «Fotoana io hanomezana anjara ireo mpisehatra amin’ny fifandraisana eo amin’ny samy orinasa Btob. Tahaka izany koa ireo mitady lalam-barotra momba ireo sehatra ireo», hoy ny mpikarakara. Natao hampahafantarana sy hanehoana ny vokatra sy ny hetsika ataon’ny orinasa izany, indrindra ny tolotra ho an’ireo mpanjifa. Eo koa ny fifampizarana traikefa. Araka izany, misokatra ny fisoratana anarana ho an’ireo te handray anjara amin’ny hetsika «Foire Pro’hygiène – cosmétique». Hita ao amin’ny pejy ZRK Event ny andinindininy rehetra ho an’ireo liana amin’izao hetsika miavaka izao. Tsiahivina fa efa mipetraka eo amin’ny toeran’ny matihanina amin’ny fikarakarana hetsika ny ZRK Event. Mivelatra amin’ny sehatra maro izy ireo. Eo ny fikarakana hetsika ho an’ny mpianatra eny amin’ny ambaratonga ambony sy ny mpitady asa. «Hiditra amin’ny andiany fahatelo izany amin’ity taona ity», hoy ny eo anivon’ny ZRK Event. Tahaka izany koa ny sehatry ny asa eo amin’ny tontolon’ny fiantsoana «Call center», ny momba ny varotra ary ny fifanakalozana. Synèse R.