TheMadagascarTime

Fomba amam-panao: Mivelatra hatrany ny Taombaovao Malagasy

2026-03-18 - 04:43

Mitombo ny isan’ny Mala­gasy mahalala sy mahafantatra ny fombany. Miha maro hatrany ireo manatanteraka izany. Ankoatra ireo vohitra ma­nan-kasina notetezin’ny Trano Kolotoraly Malagasy sy nandrehetany afo hatrany am-boalohany. Efa nitombo fatratra ireo tanàna, na vohitra na faritra, mankalaza ny Taom­bao­vao Malagasy, ankehitriny. Mitombo ihany koa ireo sehatra ahitana ny fanatanterahana ireo fomba samihafa mifanaraka amin’io tonon-taona lehibe io. Ho an’ny eto an-dRenivo­hitra sy ny manodidina, ma­nomboka anio, ka tsy hifarana raha tsy any amin’ny faran’ny herinandro. Toerana maro no hanatanterahina ny fankalazana. Anisan’izany ny ao amin’ny Kianjan’Imahamasina, ny eny Ambohidratrimo, Ambo­himanga, Ambohitrabiby, Antongona, eny amin’ny Oni­versiten’Antananarivo, sns. Marihina fa rahampitso 19 marsa no fiandohan’ny taona. Anio kosa no hanatanterahina ny afo tsy maty, ny fandrehetana ny harendrina. Izany hoe, fanadiovana amin’ny alalan’ny afo. Ny fafy rano na ny tsodrano kosa no hisantarana ny taona mba ho lavorary ny kasaina rehetra. ... Tsikaritra ihany koa fa manomboka tazana ny fandraisan’anjara mavitrika eo amin’ireo tanora, mba hahafahan’izany mitohy. Mila ampahalalana ny fototra izy ireo. Adidin’ireo mahalala ny manao izany. HaRy Razafindrakoto

Share this post: